- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Jiolahy roa, maty voatifitry ny pôlisy

Toliara : Jiolahy roa, maty voatifitry ny pôlisy

Teo am-pikasàna hanao fanafihana mihitsy ireto farany no nahazo vaovao ny polisy teo anivon’ny kaomisaria foibe tao an-drenivohitr’i Toliara tao. Nisy ny fifampitifirana ka roa tamin’ireo olon-dratsy no taraiky : maty tsy tra-drano, tsy afa-nanohy ny zavatra nokasain’izy ireo natao intsony.

Ny andron’ny alahady lasa teo, raikitra ny fifanenjevoana teo amin’ireo pôlisin’ny UIR sy ny andian’olona nampiahiahy tao Mahavatsy Toliara. Tamin’io andro voalaza io mantsy, hoy ny fampitam-baovao azo no nisy andian’olona mikonokonona fanafihana mitam-piadiana tao amin’io toerana voalaza io. Nandray andraikitra avy hatrany ny pôlisy  ary nidina teny an-toerana sy nametraka ny paik’ady rehetra.  « Natao ny fanaraha-maso, niroso avy hatrany tamin‘ny fisamborana ny mpitandro ny filaminana ka nandritra izany no namaly tifitra tamin ‘ny basy vita gasy ireo jiolahy ka lavo nandritra ny fifanjevoana ny roa, nitsoaka kosa ireo namany hafa » hoy ny vaovao.

Raha ny fantatra dia isan’ireo olon-dratsy karohina fatratra, tompon’antoka tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana isan-karazany mitranga tany an-toerana ireto lavo ireto. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany tafatsoaka tamin’io andro io. « Mba hisorohana ireo trangana asa ratsy mety hiseho any an-toerana, tsy mikely soroka ireo tomponandraikitry ny filamimana any amin ‘iny faritra iny manamafy ny asa fisafoana sy ny fanaraha-maso »

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici