- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy mpangala-jaza tra-tehaka, saika nodoran’olona velona tamin’ny “pneu”

Toliara : Lehilahy mpangala-jaza tra-tehaka, saika nodoran’olona velona tamin’ny “pneu”

Lehilahy iray sahabo 38 taona eo, voalaza fa mpitari-posy izay voatondro ho mpangala-jaza no saika nodoran’olona velona tamin’ny alalan’ny kodiarana, afak’ omaly, tany Andoziny Distrikan’i Toliara II. Araka ny tati-baovao voaray, dia teo am-pisamborana zazalahy iray 8 taona eo, avy nilalao hariva hamonjy fodiana, no tra-tehaka ity mpangala-jaza ity, ka raikitra avy hatrany ny koike sy hazolava (antso vonjy). Rehefa nofotorana lalina ity rangahy voatondro ho mpangala-jaza voasambotra nofatorana tady, dia tsy nety nanoro ny olona sy izay toerana hivarotany an’ilay zaza izy, ka io no nahatezitra ny olona teo an-tanàna, ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka ity lehilahy ity, raha tsy nisy olombe teo nitsangana niezaka nandamina ny raharaha. Raha ny fantatra, dia efa nanomboka ny zoma teo no narahin’ny mponina maso ity lehilahy vahiny hafahafa fihetsika nivezivezy eraky ny tanàna ity, satria malaza ratsy rahateo amin’izao ny halatra maso sy taova any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, ka malina sy mitandrina mafy hatrany ny olona.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici