- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy nanao fitafy mihaja, tra-tehaka nangalatra finday tamina banky iray

Toliara : Lehilahy nanao fitafy mihaja, tra-tehaka nangalatra finday tamina banky iray

Tsy misy tandroka ary tsy kely lalana ny olon-dratsy ankehitriny. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo, nanao fitafy mihaja no tra-tehaka nangalatra finday iray tamina banky iray tao Toliara, omaly, tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka kely tany ho any. Raha araka ny hoy ny vaovao voaray, dia nilahatra ohatra ny olon-drehetra haka vola amin’io banky io ity lehilahy ity, ka tao anaty fisisihana no nakan’ity mpangalatra ny findaina tovovavy iray teo alohany izay dia tao anaty poketra zara raha nihidy. Tsikaritry ny mpiambina mpanara-maso tao amin’ity banky ity ny asa ratsy, ka tsy afa-niala intsony ity lehilahy mpangalatra, ary tra-tehaka teny an-tanany ilay finday. Tefaka nirefodrefotra teo am-poto-tsofina. Nihoraka ny olona raha vao nahita izany, ary ity mpangalatra kosa nangasihasy menatra afa-baraka sady voan’ny tefaka nirefodrefotra teo am-poto-tsofiny havia.  “ Tsy vitsy ireo mpanjifa ato aminay mitaraina fa lasibatra very finday na zava-tsarobidy hafa rehefa maka vola. Mailo amin’ny firongatry ny asa ratsy noho ny fitarainan’ny olona izahay, ka napetraka avy hatrany ny strategia manonkana hiarovana ny mpanjifa sy ny fananany sady hitiliana an’ireo tontakely, dia izao nahitam-bokany izao ilay izy ”, araka ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ity banky iray ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici