Lehilahy iray manodidina ny 30 taona no namono nahafaty ny vadiny tamin’ny fira famaky, ny 21 oktobra lasa teo, tany amin’ny kaominina Ankililoaka distrikan’i Toliara II. Raha ny vaovao voaray dia tsy nody an-trano ramatoa, ny alin’ny alakamisy teo, fa namonjy fahoriana 20 km miala ny tanànan’izy ireo. Noho ny tonga ity renim-pianakaviana ity ny harivan’ ny zoma, dia raikitra ny ady teo amin’ireto mpivady tanora manan-janaka roa mianadahy ireto. Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana am-bava ny raharaha fa niafara tamin’ny fikasihan-tanana. Tsy nahatanty ny vono nihantra taminy ity renim-pianakaviana namoy ny ainy ity ka nilaza fa hisitaka, ary vao mainka niakatr’afo rangahy izay nieritreritra zavatra hafa tsy nahafehy ny hatezerany intsony, ka naka famaky ary nitetika ny andefimandriny raha iny saika hivoaka ny trano iny ity farany. Raha nahita ny vadiny nihosin-drà nitambotsotra tamin’ny tany ity raim-pianakaviana ity dia nitsoaka avy hatrany, ka mbola karohina fatratra hatramin’izao. Noenjahina novonjena namonjy tobim-pitsaboana haingana ny niharan-doza, kanefa teny an-dalana tao anaty sarety nitondrana azy, dia tapitra ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra.
Eric Manitrisa