- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara - Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana : “Cyclo-pousse” nivadika, ankizilahy mpianatra 9 taona...

Toliara – Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana : “Cyclo-pousse” nivadika, ankizilahy mpianatra 9 taona vaky loha sy tapa-tanana

Trangana lozam-pifamoivoizana miisa 350 no nandalo tao amin’ny Polisy misahana ny fifamoivoizana, ny taona 2017, ka ny 90% amin’ireo dia loza ateraky ny fitondrana « cyclo-pousse » avokoa, vokatry ny fandehanana mafy. Nanomboka ny taona 2016 no mankaty, nitombo isa ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny « cyclo-pousse » ao Toliara, ary saika isan’andro dia hitrangana loza foana ao an-tananàn’ny masoandro noho ny goragora misy. Omaly antoandro, ankizilahy kely iray sahabo 9 taona eo, avy nianatra no vaky loha sy tapa-tanana natsingidin’ny posy. Raha ny fanazavana azo dia posy roa nandeha mafy nifanenjika no nitera-doza, satria tsy nahatana ny familiana intsony ilay teo aloha, ary nitrosona tany amin’ny « trottoir » ka nanidina ary nivadika avy eo. Mbola ny andron’ny omaly io hatrany, tovovavy mpianatra iray taona fahefatra amina sekoly tsy miankina iray ao Toliara no naratra mafy nodomiin’ny moto raha iny nirava avy nianatra hamonjy fodiana iny. Nitsoaka avy hatrany ilay mpitondra moto nahavanon-doza. Manoloana ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana ao an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana, dia nilaza ny avy ao amin’ny Borigadin’ny Polisy misahana ny fifamoivoizana, fa tsy handefitra intsony amin’ireo mpitondra posy, moto, fiara tsy manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ireo mamo toaka mitondra kodiarana roa sy fiara. « Mba hialana amin’ny gaboraraka misy, dia hampiharina amin’ ireo mandika lalàna ny sazy henjana manomboka izao, satria ireo olona tsy manan-tsiny foana no maratra sy mamoy ny ainy », hoy ny Kaomisera Pascal Fitiria.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici