jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mitombo isa ny tsy ampy taona mivaro- tena sy mitarika...

Toliara : Mitombo isa ny tsy ampy taona mivaro- tena sy mitarika « cyclo pousse »

Amin’izao fotoana izao, raha ny fanadihadiana natao sy maso mahita, dia tsy mitsaha-mitombo ny isan’ ireo andriambavilanitra tonga manao ny asa fampanofana tena ao Toliara ao, ary tafaroboka hatramin’ny tovovavy tsy ampy taona tokony mbola hianatra any an-tsekoly mihitsy. Ho an’iry voalohany dia antony maro no mahatonga azy ireo hivaro-tena ka anisan’izany amin’ny ankapobeny ny fahasahiranana mahazo laka ankehitriny sy ny tsy fahavitan’ny lehilahy adidy (fisarahana tampoka amin’ny rain-janaka kanefa tsy misy asa atao ilay vehivavy, eo ihany koa ny fandosiran’ilay rain-janaka adidy amin’ny fameloman-janaka ao an-trano ka voatery ilay vehivavy no mitady ny fomba rehetra hamelomana ny ankizy). Fa ho an’ireto “ajampela” kosa dia ny fitiavam-bola mora azo malaky sy rendrarendra, . . .no manosika azy ireo hiroso amin’ity asa tranainy eto an-tany tsy andoavana hetra ity. Hita eny amoron-dalana rehetra eny, any anaty trano fandihizana, trano fandraisam-bahiny ireny, anaty ‘’bar’’, eny amoron-dramomasina sy amina “casino” sy ny maro hafa tsy voatanisa eto ireo ankizivavy ary manodidina ny 14 taona ny salan’isan’izy ireo mamandrika mpanjifa amin’ny fanomezana filana ara-nofo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici