- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpamaky trano latsaka tao anaty lavadrano, torana dia noraisim-potsiny

Toliara : Mpamaky trano latsaka tao anaty lavadrano, torana dia noraisim-potsiny

Tranga hafa kely ity niseho tao amin’ny fokontany Tsimenatse Toliara ity, ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Noho ny tahotra ny fokonolona sy ny ho mety ho fitsaram-bahoaka, dia naleon’ilay tovolahy mpamaky trano nitsambikina tao anaty lavadrano hany sisa noheveriny hahafahana mitsoaka ireo mpanenjika azy. Ritra anefa io lavadrano lalina io. Vokany notatazan’ny vato ny lohan’ ity mpangalatra ity, ka naratra mafy. Tapaka ihany koa ny tànany havanana. Noho ny dona mafy nihatra taminy, safotra tsy nahatsiaro tena. Avotra ihany anefa ny ainy avy eo, saingy noraisim-potsiny izy, satria tsy afaka nitsoaka intsony. Raha ny nambaran’ny mponina, dia nikasa ny hamaky trano iray ity tovolahy ity, no nisy nahatsikaritra. Efa nahare azy ihany koa anefa ny olona tao an-trano tamin’io fotoana io, ka raikitra ny antsoantso (hazolava). Nirifatra nandositra ity mpangalatra ka nihevitra ny nanavotra aina nitsoraka tao anaty lavadrano.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici