- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversToliara: Mpampianatra iray 35 taona nanolana ankizivavy 6 taona

Toliara: Mpampianatra iray 35 taona nanolana ankizivavy 6 taona

Rangahy mpampianatra iray 35 taona, monina sy miasa any Ankaraobato kaominina ambanivohitra Milenaka, distrikan’i Toliara II sendra nivahiny tamin’ny namany tao Betania Toliara, no nanolana zazavavy vao 6 taona monja; izay zanaky ny olona nivantanany ihany, ny alin’ny zoma teo. Ny silipon’ilay zaza feno rà vao maraina no nanaitra ny renibeny. Ity farany avy eo no nampilaza ny olona tao an-trano ny zava-nitranga. Rehefa nofotorana ilay zaza, dia niteny fa ilay mpampianatra no nanao filan-dratsy sy fomba mamoehitra taminy.
Simba tanteraka ilay zaza. Taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera, dia hita fa simba tanteraka ilay zaza. Raha ny fanazavana azo : rehefa tafandry daholo ny olona tao an-trano, dia nosafosafoiny ilay zaza ary natsofony tany anaty fivavian’ilay voatavo tsy mifandraka ny tanany ka nitosaka ny rà. Ny talata teo no natolotra ny fitsarana ity ramose mpanolana, ka nidoboka am-ponja vonjimaika. Hentitra ny Chef d’ Escadron Tsiketa Janvier Parfait, komandin’ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena ao Toliara, raha nitafa tamin’ny mapano gazety omaly, fa « ny fanolanana dia heloka be vava toy ny mangalatra omby, mamono olona ka tsy azo anaovana kabary ambany kily (raharaham-pihavanana) ».

Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici