- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpanampy an-trano, may kila nipoahan’ny gaz

Toliara : Mpanampy an-trano, may kila nipoahan’ny gaz

Tovovavy iray manodidina ny 24 taona, mpanampy an-trano, no may kila nipoahan’ny gaz, omaly tokony ho tamin’ny 10 ora, tao Tanambao Toliara. Saika hotohoton’ny afo ihany koa ilay tranobe raha tsy nalaky voavonjy haingana. Raha ny vaovao voaray, dia menaka may tamina  saba nianjera saika hanendasana trondro no niteraka ny firehetana tao an-dakozia. Ilay tovovavy kosa amin’io variana manadio ny lalan-tsara. Taitra izy raha nahita ny afo efa nijoalajoala sy ny setroka be, ka iny saika hamono ny afo hanondraka rano iny no nipoaka ilay entona fandrehitra ka nandoro ny vatany ambony. Niantso vonjy avy hatrany ilay mpanampy ka vetivety dia voafehin’ny manodidina ny afo nanomboka nandady tamin’ny vatan-drindrina tamin’ny efitrano hafa. Tsy tao an-toerana ny tompon-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, fa ilay mpanampy irery no tao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici