
(Sary Manitrisa)
Nandriaka indray ny rà tany Toliara, afakomaly alina. Tokantranona mpandraharaha iray monina ao amin’ny fokontany Mahavatse I no notafihan’ny dimilahy tsy nisaron-tava, nirongo basy ny efatra, ny alin’ny asabotsy nifoha ny alahady, tokony ho tamin’ny iray ora tany ho any. Maty voakapa famaky teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana tompon-trano, fantatry ny maro amin’ny hoe : « Nahoda Jules », raha naratra mafy voatoto vodim-basy teo amin’ny lohany kosa ny vadiny. Vola iray baoritra tao an-trano (tsy fantatra hoe : ohatrinona ?) no lasan’ireo jiolahy. Vola izay saika hividianana entana hoentina hitety tsena any Andranovory Toliara II.
Nirefodrefotra ny basy. Raha ny fanazavana azo dia niditra an-keriny tao an-trano ireo jiolahy sady nanapoaka basy rehefa avy namaky ny varavaram-be anankiroa. Nokapain’ireo jiolahy famaky avy hatrany rangahy tompon-trano, nitarika ny fahafatesany. Tsy afa-nihetsika koa nanoloana ny vava-basy ireo olona 10 natory teo an-davarangana, hiditra amin’ity trano voatafika ity. Lehilahy iray teo an-tokotany notifirin’ireo jiolahy nefa tafaporitsaka no niezaka niantso vonjy teo amin’ny manodidina sady nampandre ny sefo fokontany. Ity farany kosa avy eo niantso ny mpitandro filaminana. Efa tara anefa ny fahatongavan’ireto farany ka nampanano sarotra ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy, hoy ny filohan’ny fokontany ao Mahavatse Tanambao, Atoa Boto Victorien, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly antoandro. Noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao amin’ity fokontany ity dia mangataka hametrahana tobin’ny mpitandro filaminana faran’izay haingana ny vahoaka.
Eric Manitrisa