Nanao tohi vakana tato ho ato ny fangalarana zazakely ao Toliara tampon-tanàna sy amin’ireo kaominina manodidina. Afak’omaly, ramatoa iray sahabo ho 40 taona eo, voalaza fa monina ao amin’ny Fokontany Andakoro no tra-tehaky ny Fokonolona nangalatra zazavavy 6 taona tao Betsingilo Toliara. Raha vantany vao voasambotra ity renim-pianakaviana ity, dia raikitra avy hatrany ny vono sy daroka nihatra taminy, ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka ity mpangala-jaza ity raha tsy nalaky tonga ny avy ao amin’ny Dinabe nandamina haingana ny raharaha. Rehefa nofotorana lalina ity ramatoa mpangala-jaza, dia tsy nety nanoro mihitsy ny olona hivarotany ny zaza na ny mpaniraka azy. Ny 20 janoary teo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina, tao amin’ny Fokontany Miary Ankoronga, Kaominina ambanivohitry Miary, Distrikan’i Toliara II kosa, dia tovolahy iray manodidina ny 30 taona eo no niharan’ny hatezeram-bahoaka rehefa sarona nangala-jaza lahy kely vao herintaona monja. Tao anatin’ny torimasony tanteraka no taitra tampoka ny rain’ity zaza raha nahita an’ilay tovolahy tao an-tranony nifaoka ny zanany. Nifanenjehana eran’ ny tanàna ilay mpangala-jaza ka tratra ihany, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa