- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpangarom-paosy torana nodarohan’ny fokonolona

Toliara : Mpangarom-paosy torana nodarohan’ny fokonolona

Tovolahy iray manodidina ny 17 taona no torana tsy nahatsiaro tena nodarohan’ny fokonolona, omaly naraina, tao amin’ny bazary Scama Toliara. Naratra mafy rapa tarehy, nivonto maso sy vava ity mpangarom-paosy ity, ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibeny mihitsy, raha tsy voalamina haingana ny raharaha. Raha ny fanazavana azo, dia roalahy ka nitondra zava-maranitra ny iray no nanendaka sy nanao herisetra ary nandrahona ramatoa iray handeha hiantsena maraina. Noho ny tahotra ny antsy, dia nanome ny vola efatra alina ariary niampy finday iray teny aminy ity renim-pianakaviana ity. Teo am-pitsoahana ireto jiolahy no niantso vonjy ny voaroba. Poa toy izany dia vory ny olona naheno ny “hazolava” ary nanenjika an’ireo tontakely. Voasambotra ny iray ka niharan’ny hatezeram-bahoaka, raha tafatsoaka kosa ny jiolahy faharoa. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia mpanendaka sy mpangarom-paosy ikoizana ary mandravarava ao an-tsenan’ny Scama izy roalahy ireto. Ary indraindray mitondra ekipa mihitsy manao andiany maromaro, ka tsy mifidy zavatra alaina izy ireo amin’izany. Noho ny tahotra ny valifaty, dia tsy sahy mitoroka azy ny olona na ireo mpivarotra mahita ny asa ratsiny. Ela nanaovan-dratsy ka sendra ny nahay azy, hoy ireto mpivaro-bary maromaro.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici