- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Mpiandry omby roa niara-maty nilatsaham-baratra

Toliara : Mpiandry omby roa niara-maty nilatsaham-baratra

Tovolahy mpiandry omby roa manodidina ny 16 taona eo ho eo no maty nilatsaham-baratra afak’omaly, tany Andranovory Toliara II. Rehefa latsaka ny orambe nivatravatra, dia niezaka nialoka tamina hazo kininina iray ireto mpiarak’andro ireto. Nirefotra indray mandeha anefa ny varatra naherivaika, ka avy hatrany dia niantefa tany amin’ireto zazalahy mpiandry omby. Tsy nisy naninona kosa ireo omby nandrasan’izy roalahy izay niraoka ahitra teny an-tampon-tanety tsy lavitra teo, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici