- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Mpisandoka ho talen’ny Bianco voasambotra

Toliara : Mpisandoka ho talen’ny Bianco voasambotra

Mafy ny te-hanan-karena tampoka amin’izao fahasahirana mahazo laka izao. Lehilahy iray voalaza fa gadra lava nanao fitafy mihaja nisandoka ho talen’ny fitantanam-bola ao amin’ny Bianco nisoloky olona tamin’ny vola enina alina ariary no voasambotra tany Toliara, ary natolotra ny fitsarana ny zoma hariva teo. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny tomponandraikitra, dia fitadiavana trano hofaina eo amin’ny telo hetsy ariary eo isam-bolana eny amin’ny trano mora tadiavin’ ity lehilahy ity no niantombohan’ny fisolokiana sy ny fisandohana andraikitra. Nilaza ity DAF sandoka ity rehefa nandeha teny ny resaka fa olona ambony izy, ary afaka mampiditra ny anadahin-dramatoa tompon-trano ho mpamily hiasa ao amin’ny sampan-draharaham-panjakana miady amin’ny kolikoly ny tenany raha manome 60 000 ariary zareo, ary karamaina 15 000 ariary isan’andro ny anadahin-dramatoa tompon-trano, ka ny fiaran’ireto farany ihany no ampiasaina, raha ny filazan’ilay mpisandoka andraikitra. Natoky an’ity mpisoloky izy mianadahy ka nanome ny vola notadiaviny. Tonga anefa ny fotoana nifanaovana ka nentin’ny anadahin-dramatoa tompon-trano teny amin’ny biraon’ny Bianco ity mpisoloky, ary tsy nisalasala fa niditra tao mba ahafantaran’ ireo olona efa voasolokiny niandry azy fa tena mpiasa ao tokoa izy. Tsy naharitra ny iray tamin’ireo voasoloky efa mahana ka nanontany ny tena mpiasa tao. Nanambara ity farany fa tsy mpiasa ato io fa olona mitady asa ohatra anareo koa. Teo vao vaky batsilana ny afera rehetra ka noraisim-potsiny ingahy DAF sandoka, ary nanao tohin-vakana ny fitoriana azy, ary nandritra ny fanadihadiana natao nahafantarana fa efa nigadra teto Antananarivo noho ny asa fisolokiana hatrany izy.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici