- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Mpivaro-tena nodorana telolahy

Toliara : Mpivaro-tena nodorana telolahy

Tovovavy iray manodidina 20 taona no hitan’ny olona nivalampatra teny an-dalana, izay efa tsy nahatsiaro tena intsony saingy mbola nafana ny vatany, afak’omaly naraim-be tany Toliara. Rehefa natao ny fizahana azy dia nahitana faritra may be teo anelanelam-peny roa ambanin’ny kibony nodorana tamin’ny afo. Rehefa nahatsiaro tena taorian’ny fitsaboana sahaza natao azy ny niharan-doza dia nitantara ny zava-nihantra taminy ity tovovavy izay fantatra fa mpampanofa fahafinaretana ity.

Tsy nety niray fa nandeha fadim-bolana. Nolazainy tamin’izany araka ny vaovao voaray fa telolahy niara-nirevy taminy tamina toeram-pialam-boly iray samy efa mamomamo no nanao herisetra taminy. Rehefa tsy nety niray tamin’ny iray tamin’ ireto telolahy ity mpivaro-tena nandeha fadim-bolana ity teny an-dalana tamina toerana maizina sy mangina, dia tezitra ilahio ka nanondraka ny ambin-toaka teny an-tanany tamin’ny faritra manakaiky ny maha vehivavy an’ity koaitra ity, ary namelona “briquette” nandoro izany. Tsy vitan’izay fa mbola nodarohan’izy ireo ihany ity tovovavy zanaky ny alina . Safotra tsy nahatsiaro tena ity farany, ka lasa nitsoaka izy telolahy, hoy hatrany ny vaovao voaray.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici