Noho ny fisian’ny andro ratsy sy rivotra mitsoka mafy (tsiok’atimo) amin’ny tapany Atsimo Andrefan’ny nosy iny, dia tsy hita eny an-tsena ao Toliara efa ho telo andro ny trondro, ary ifampitadiavana ireo hazandranomasina noho ireo mpanjono any an-toerana tsy mivoaka miandriaka noho ny tahotra ny ainy, satria misamboaravoara be ny ranomasina, izay miteraka onja vaventy. Vokatry ny fisian’ izay andro ratsy izay hatrany, dia Fokontany 10 ao anatin’ny Kaominina Ampasimatera Mampikony no dibo-drano tanteraka ankehitriny, noho ny fiakaran’ny reniranon’i Bemarivo. Araka ny tati-baovao voaray, dia olona iray no lasan’ny rano ka mbola tsy hita popoka hatramin’izao.
Eric Manitrisa