- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Raim-pianakaviana iray maty vokatry ny hamamoana tafahoatra

Toliara : Raim-pianakaviana iray maty vokatry ny hamamoana tafahoatra

Lehilahy iray sahabo ho 47 taona no tsy tafafoha intsony nony naraina ny andro, voalaza fa matin’ny toaka tany Toliara, afak’omaly. Raha ny fanazavana azo dia mamo tampona mila tsy hahatsiaro tena ity raim-pianakaviana ity nody ny trano ny alina. Efa mahazatra ny havany moa izany ka navelan’ny fianakaviany natory irery izy. Hatairana anefa ny any rehetra tao an-trano nony naraina ny andro nahita an’ilay rangahy nihohoka  tsy nihetsika intsony. Rehefa navadika sady nofohazina dia vatana mangatsiaka tsy nisy fofon’aina intsony no novantanin’ny vady aman-janany.
Eric Manitrisa

Sakaraha : Tovolohy avy nijery “video” maty voakapa famaky

Tovolahy iray manodidina ny 22 taona no maty nisy nikapa tamin’ny famaky teo amin’ny lohany ary potika ny tarehiny, afak’omaly alina, tany Sakaraha. Izy tsy nody ny alina tao an-trano no nanaitra ny fianakaviany, satria handeha hijery « video » no voalaza fa nialany tao an-trano. Natao ny fikarohana ka ny maraina vao hita tao anaty lobolobo miala kely ny tanàna ny razana, ary tsy teny amin’ity tovolahy ity intsony ny findainy tamin’ny nahitana ny vata mangatsiakany. Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray dia nijery « video » tokoa ity tovolahy namoy ny ainy ity ny alin’io, ary niaraka nody tamina tovovavy iray, dia izay no nahitan’ny olona azy velona farany.
Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici