- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Rangahy mpanamboatra “pneu”, poa-maso nipoahan’ny kodiarana sy nipitihan'ny “jante”

Toliara : Rangahy mpanamboatra “pneu”, poa-maso nipoahan’ny kodiarana sy nipitihan’ny “jante”

Rangahy iray mivelona an-taonany maro amin’ny asa fanamboarana kodiarana no tratran’ny patsa iray tsy omby vava teo am-perinasa, omaly naraina, tany Toliara. Nipoaka tsy nahy ilay kodiarana fiara lehibe iray novokisany rivotra, rehefa avy namboariny, ka avy hatrany dia niantefa teny aminy. Araka ny fanazavana voaray dia nipitika teny amin’ity raim-pianakaviana ity ny vy be ipetahan’ny kodiarana (jante) sy ilay fingotra be tsinain’ny kodiarana, ka izay no tena nahavoa mafy azy, ary teo amin’ny lohany sy ny tratrany no voadona mafy, ary poaka mihitsy ny masony, araka ny fizahan’ny mpitsabo nandray an-tanana ny fitsaboana azy. Noho ny dona mafy nahazo an’ity rangahy mpanamboatra “pneu” ity dia torana tsy nahatsiaro tena izy, ka nifamonjena nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Raha araka ny vaovao farany voaray tamin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra dia mbola tsy mahatsiaro tena miady amin’ny fahafatesana ny tenany noho ny olana eo amin’ny fo.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici