Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra,raha ny tranga tany Toliara omaly ity no zohina. Noho ny resa-bola banga enina hetsy ariary, voalaza,fa voahodinkodina noho ny fitantanana tsy nangaraharaha no niteraka savorovoro teo amin’ny samy mpitantana tamina fiangonana zandriny iray nanomboka ny asabotsy tolakandro teo. Tsy niravona tamin’io andro asabotsy io ny olana, ka niafara tamin’ny ady saritaka teo amin’ny samy mpino tao am-piangonana.
Nandritra ny filazan-draharaha, hoy ny loharanom-baovao, dia nisy mpiangona iray niakatra teny ambony alitara ary nangataka tsy misy hatak’andro amin’ny hanesorana an’ilay mpitam-bola sy handroahana azy sy ny ekipany tsy ho isan’ny mpino intsony ao amin’ity fiangonana ity fa mpangalatra, nefa dia tifitra totohondry no niandry azy. Raikitra ny sakoroka avy eo, ary saika tsy nilamina ny raharaha raha tsy nifona sy nandohalika teo anatrehan’ny mpino rehetra ny mpitarika ity fiangonana sokajian’ny maro ho sekta ity, ary noroahina nivoaka avy hatrany ilay mpitam-bola sy ny ekipany.
Eric Manitrisa