Hentitra ny tompon’andraikitra tamin’ny fanadinana bakalôrea nifarana omaly iny. Tsy maintsy nesorina hatramin’ny saron-dohan’ireo tovovavy maromaro nanao voaly sy nitondra izany. Tovovavy mpiadina iray tao Toliara no tsy nanaiky, ka nigogogogo mafy nitomany tsy nety nampanginina, nanaitra ny manodidina, raha nesorina ny « foulard » teny an-dohany. Saika nafoy hatramin’ny fanadinana mihitsy, afak’omaly. Rehefa nofotorana kosa ilay tovovavy dia nilaza, fa tsy mety ary fady be amin’ny finoan’izy ireo ny manala saron-doha. « Toy ny mitanjaka izahay raha manao izany », hoy ny fanazavany. Niteraka fanelingelenana sy tsy fifantohan-tsaina teo amin’ireo mpiadina ity tranga ity, ka betsaka no tezitra sy velon-taraina tamin’ny tompon’andraikitra, satria naninona, hoy izy ireo, raha tsy ny alatsinainy naraina teo nanombohan’ny fanadinam-panjakana no efa noraisina ny fepetra hisorohana ny toe-javatra toy izao.
Eric Manitrisa