vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Vazaha iray nanolana ankizivavy 14 taona in-telo, nadoboka am-ponja

Toliara : Vazaha iray nanolana ankizivavy 14 taona in-telo, nadoboka am-ponja

Teratany vahiny iray nanolana ankizivavy 14 taona no naiditra am-ponja afak’omaly rehefa avy nandalo teny amin’ny Fitsarana tao Toliara. Raha ny fantatra, dia efa in-telo ity teratany vahiny ity no nanolana an’io zaza tsy ampy taona io. In-droa tao Tsiadamba Toliara II, ary farany teo tao Mangily Ifaty. Nanararaotra ny fahantrana misy eo teo amin’ ireto fianakaviana ity vazaha ity, ka notambazan’ny vola telo alina ariary ilay zaza, nefa tsy nomeny akory izany avy eo. Mbola nadobony am-ponja aza ilay rain’ilay ankizy raha nitory azy, izay nolazainy fa nangalatra tao aminy.
Mamerin-keloka foana. Tezitra ny renin’ity zaza voaolana, ka nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny polisy miaro ny zaza tsy ampy taona momba ny herisetra ara-nofo nihatra tamin-janany, ary nosamborina ity vazaha ity. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny sampan-draharahan’ny polisy miahy ny ankizy tamin’ny mpanao gazety, dia efa im-betsaka ity vazaha ity no nosamborina kanefa dia afaka foana ary mamerin-keloka indray, satria milaza fa manana taratasy avy amin’ny mpitsabo hono izy, ary efa maty ary tsy afa-miasa intsony ny filahiany, ka ireo polisy nisambotra azy sy ny mpitsabo nanamarina sy nanao ny fitsirihana indray no notoriany teny amin’ny fitsarana.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici