Sady faly no sahirana ity tovovavy vao 23 taona niteraka kambana efatra mianadahy, ka lahikely ny iray, izay maty teo am-piterahana, ny alahady antoandro teo, tao Anketa Toliara. Raha ny fanazavana azo dia vohoka faharoa no niterahan’ity renim-pianakaviana ity ireo zanany. Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray hatrany dia nisaraka tamin’ny rain-janany ity tovovavy ity rehefa nitondra vohoka efa-bolana, ka ny reniny izay miara-mipetraka aminy no mikarakara sy namelona azy. Manao antsoavo amin’ny malala-tanana nanomboka ny alatsinainy teo ity farany amin’ny fanampiana an’ireto efa-mianaka izay manaraka fitsaboana sy fanaraha-maso manonkan’ny mpitsabo nanomboka afak’ omaly. Nanamarika ny vaovao voaray fa tany amin’ny renin-jaza ity tovovavy ity no niteraka ireo zanany, ka ny harivan’ny alahady teo vao nentin’ny havany namonjy hopitaly rehefa hitan’izy ireo fa niha hatsatra sy osa tsy ampy hery intsony noho ny fahaverezan-drà. Raha ny nambaran’ny dokotera mandray an-tanàna ny fitsaboana azy efa-mianaka dia tsy misy atahorana kosa ny ain’ireo zaza sisa velona.
Eric Manitrisa