Voasambotry ny polisy tao an-tranony, tao Motombe Toliara, ny iray tamin’ireo jiolahy dimy nirongo basy ny efatra, namono nahafaty mpandraharaha iray tao amin’ny fokontany Mahavatse I, ary nahaverezana vola iray baoritra, ny alin’ny asabotsy nifoha ny alahady 30 aogositra teo. Raha araka ny fanazavan’ny Kaomisera Lebiria Rufin Tolojara, nanao valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety, ny asabotsy antoandro teo, tao amin’ny birao fiasany, dia voasaringotra tamin’ny resaka « kidnapping » ity jiolahy 29 taona tratra ity.
« Gangs » votsotra, mamerin-keloka. Tamin’ny famotorana natao azy no niaiky heloka izy, ary nilaza fa tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Nahoda Jules, mpandraharaha maty nokapaina tamin’ny famaky tao Mahavatse I. « Karohina mafy kosa amin’izao ny namany efatra tafatsoaka, ka ny roa amin’ireo dia gadra nandositra ny fonjan’i Tsiafahy, ary misy mpiasan’ity mpandraharaha namoy ny ainy ity niray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy mitam-piadiana. », hoy hatrany ny Kaomisera Rufin.
Jiolahy 6 maty voatifitra. « Na dia tsy ampy fitaovana sy olombelona izahay polisy, dia mandray andraikitra foana amin’ny fanenjehana sy fikarohana ireo olon-dratsy », hoy ny « commissaire central ». Porofon’izany hoy izy, jiolahy rain-dahiny 23 no voasambotra tamin’ity taona 2015 ity, ka enina tamin’ireo maty voatifitra. Niaiky ity manambonihaitra ambony ao amin’ny polisim-pirenena ity, fa nirongatra tato ho ato tao anatin’ny roa volana ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana, satria misy amin’ireo jiolahy ikoizana (gangs) voasambotra ary natolotra ny fitsarana ka migadra no vosotra ary mamerin-keloka indray.
Eric Manitrisa