Trangam-piarahamonina hafa kely no niseho tamina tanàna kely iray somary ambanivohitra mihataka kely ny tampon-tanànan’i Toliara, ny alatsinainy antoandro teo. Raha ny fanazavana azo dia zanak’olona mpihavana no nifamototra nanao zavatra mamoafady nahavalalanina ny rehetra. Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray, dia 11 taona ilay zazalahy raha 7 taona kosa ilay ankizivavy. Amin’ny maha zaza sy amin’ny maha mpihavana azy ireo dia miara-milalao toy ny fanaon’izy ireo ireto ankizy ka tsy nisy nanampo ny zava-nitranga ny mpiara-monina, kanefa dia niafara tamin’ny fanaovana zavatra mamoafady, firaisana ara-nofo ny lalao natao. Nitaraina tamin’ny reniny ilay zazavavy kely afak’omaly alina fa misy marary azy mafy amin’ ny faritra maha vehivavy azy, izay voalaza fa nahitana fahasimbana nandeha rà sy rovitra taorian’ny fizahana tsy maintsy natao. Rehefa nofotorana ity « anjampela » ity dia nitantara ny zava-nihantra taminy, ka dia vaky ambatolampy ny raharaha. Taorian’ny fifanarahana natao dia nisy ny andron’ny omaly ny fombafomba ara-drazana ala-fady tsy maintsy natao tamin’ireto mpianadahy nifamototra ireto, hoy hatrany ny vaovao.
Eric Manitrisa