- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Zazalahy nigafy tao amin ’ ny « karaoké »,...

Toliara : Zazalahy nigafy tao amin ’ ny « karaoké », voavely tavoahangy

Tovolahy iray 15 taona voalaza fa mamon-drongony nefa mbola niboboka toaka, ka nila sotasota sy nigafy tamina “bar karaoke” iray no vaky loha naratra mafy niboba rà voavely tavoangy, ny alin’ny alarobia teo, tany Toliara. Mbola miady aina mafy tsy hay na ho faty na ho velona ity zazalahy ity noho ny fahaverezan-drà be loatra, izay mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao, hoy ny vaovao. Maniry toy ny anana ireo toeram-pialamboly sy toeram-pisotroan-toaka, indrindra ny fanaovana « karaoké ». Gaboraraka sy tsy manara-dalàna ny sasany amin’ izy ireny noho ny tsy fisian’ny fanaraha-maso. Betsaka ireo ankizy tsy ampy taona na lahy na vavy miditra miala voly any amin’ ireny toerana ireny no tra-maraina, araka ny loharanom-baovao. Misy ireo tsy mody an-trano tsy hita roa andro, ary ny tovovavy sasany milaza fa voaolana nefa nanaraka lehilahy. Ny ady sy sakoroka amin’ireny toerana ireny efa mahazatra ny mason’ny manodidina. Tranga nateti-piseho ireo tato ho ato raha ny fitarainan’ireo ray aman-dreny.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici