- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliary II : Pretra voatifitry ny mpangalatra lakolosy

Toliary II : Pretra voatifitry ny mpangalatra lakolosy

Mirongatra tanteraka ankehitriny ny bizina fangalarana sy fivarotana lakolosim-piangonana. Ireo fiangonana katolika no tena lasibatra amin’izany. Misy amin’ireo tomponandraikitra sy mpitondra fivavahana no efa mailo ka manara-maso hatrany izany fananana manokan’ny fiangonana izany. Omaly, vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any, pretra iray ao amin’ny EKAR Andranovory ao amin’ny fokontany Andranovory, Kaominina ambanivohitra Andranovory, distrikan’i Toliary II, no naratra mafy raha nanara-maso akaiky ny lakolosim-piangonan’ny EKAR misy azy. Voalaza fa nahare ny fidiran’ireo jiolahy saika hangalatra ilay lakolosy izy ka nivoaka nijery izany haingana. Tazan’ireo olon-dratsy anefa ny fisian’ity farany ka notsilovin’izy ireo jiro mazava tamin’ny « torche » ny masony. Raha ilay pretra mbola jambena iny no avy hatrany dia notifirin’ireo jiolahy izy. Naratra mafy ilay pretra vokatr’izany satria ny tratrany no voatifitra. Taitra ny manodidina sy ny zandary sasany avy amin’ny borigady Toliary izay mamita iraka any an-toerana raha nahare ny poa-basy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ka namonjy ny fiangonana. Tsy azo anefa ireo jiolahy fa nanao tari-dositra avy hatrany raha vao nahita ny zandary sy ny fokonolona nanantona. Tsy azon’izy ireo vokatr’izany ilay lakolosy. Efa nentina eny amin’y hopitaly ao Toliary ilay pretra hotsaboina ka raha ny vaovao farany dia efa tsy misy ahiana intsony ny ainy. Mbola eo am-pametrahana ny sakana rehetra amin’ny fanenjehana ireto jiolahy nandratra pretra ireto ankehitriny ny zandary avy ao amin’ny borigady Toliary izay miandraikitra feno ity raharaha ity, hotronin’ny DINA any an-toerana.

Niony H.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici