- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversTonelin’Ambohidahy : Tovolahy voaendaka, lasa hatramin’ny akanjo

Tonelin’Ambohidahy : Tovolahy voaendaka, lasa hatramin’ny akanjo

Tovolahy manodidina ny 20 taona eo ho eo indray, no nasian’ny mpanendaka, ny alin’ny alarobia lasa teo. Raha iny izy nandalo ny tonelin’Ambohidahy iny dia nosakanana roalahy nitondra môtô. Mpivady nitondra fiara sendra nandalo teo no nahatsikaritra azy telo lahy nifampisava paosy. “Sendra nandalo tao ambany tonelina ny fiaranay raha izahay nandeha hody iny. Tazanay tokoa izy telo lahy nifampisava paosy, saingy noheverinay fa mpinamana misangy fotsiny. Nony tonga 50 metatra anefa izahay, dia nanapa-kevitra ny hiverin-dàlana hijery akaiky izay tena zava-miseho. Tsy nandry ihany ny sainay. Indrisy anefa,  tovolahy tokana efa zara fa miakanjo sisa no tratranay teo” hoy ilay raim-pianakaviana vavolombelona nitantara.  Ity farany no niantra azy ka nampiakatra azy tao anaty fiara. Teo no nahafantarana fa avy nanatitra ny sakaizany ity tovolahy ity  no izao niharan’ny fanendahana izao. Lasan’ireo jiolahy daholo izay teny aminy rehetra: kitapo misy finday, “veste” miampy vola mitentina 160.000 ariary. Niaraka nanenjika ireo jiolahy tamin’ny fiara izy ireo taorian’izay, saingy tsy nisy azo natao intsony fa efa lasa lavitra nirifatra niaraka tamin’ny “môtô”-ny ireto farany. Ny hany azon’ireto mpivady namonjy azy natao, dia ny nampindrana an’ilay tovolahy finday niantsoany ny sakaizany sao sanatria voaendaka koa, sy ny nanatitra azy teny Ambohijatovo  izay  toeram-ponenany. Manoloana izany dia nanamarika ny eo anivon’ny polisy misahana an’iny faritra iny, indrindra fa manomboka eo amin’ny faritany Ambohidahy ka hatreo amin’ny vavahadin’ny sekoly Masindahy Misely, fa anisan’ireo faritra voasokajy ho “mena” iny rehefa manomboka maizina ny andro. Anjaran’ny tsirairay araka izany no mitandrina.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici