Andian-jiolahy teo amin’ny folo teo ho eo no nikasa hamaky trano teny amin’iny faritra Tongarivo Tanjombato iny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Efa teo am-piomanana tamin’izany asa ratsiny izany mihitsy izy ireo no sendra henon’ny fokonolona. Raha ny fanazavàna azo dia leo tanteraka amin’ny tsy fandriampahalemana misy ireo mponina ka dia manao andrimaso tanteraka ny tananany. Teo anatrehan’izany dia nahita hevitra ireo jiolahy fa teny ambony tafon-trano no lalany. Vao mainka nanintona ny sofin’ny mponina anefa ny fikareporepohan’ny dian-tongotr’izy ireo ka nahamailo avy hatrany azy ireo. Velona teo ny anjomara sy ny fifanenjahana tamin’ireo olon-dratsy. Nisy iray tamin’ireo farany no nitsambikina avy hatrany teny ambony tafo ary dia nianjera ka naratra. Io no tratran’ireo mponina ka dia nahazo ny anjarany tamin’ny daroka sy ny vono. Naratra mafy moa ity jiolahy nikasa hanao ny asa ratsiny ity tamin’izany. Taorian’io vao niantso ny pôlisy teny an-toerana ireto fokonolona. Nentina notsaboina avy hatrany tany amin’ny hôpitaly moa ity olona naratra ity, raha ny fantatra hatrany. Efa manatanteraka ny fanadiahadiana kosa iretsy mpitandro filaminana amin’izao, hikarohana ireo namany hafa. Marihana fa tsy mbola nahazo n’inona n’inona ireto andian-jiolahy ireto.
m.L