- Publicité -
mercredi, octobre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTontolon’ny kanto : Betsaka fampisehoana mivarilavo

Tontolon’ny kanto : Betsaka fampisehoana mivarilavo

Nobedainy ilay mpijery izay nasainy anefa hiakatra an-tsehatra. Avy eo natsipiny avy eny ambony lampihazo ary nifatratra tany amin’ny besinimaro. Nivezivezy faran’izay haingana tao anatin’ny tambajotra sosialy ny vidéo ary nanaitra ny maro. Tsy nisy fialan-tsiny akory taorian’izany avy amin’ilay mpanakanto hany ka vao maika nahazo vahana ny kihana isan-karazany. Tany Avaratra indray dia tezitra ny mpanakanto iray teny ambony lampihazo raha nisy nikasika azy ny mpijery avy ety ambany. Izay hitany voalohany teo nosarangotiny ny volo. Dia nitohy toa ny tsy nisy na inona na inona indray ny fampisehoana nony avy eo. Sa ve lasa ao anatin’ny fampisehoana koa ny herisetra ka lasa eken’ny besinimaro ? Mpanakanto iray no mba nivoaka tamin’ny fahanginany ary nilaza fa na inona na inona miseho dia tsy mendrika ny fikasihan-tànana ny mpijery. Ny antony voalohany dia satria mandoa vola izy ireo mba hifaly sy hijery fampisehoana. Nokianiny koa fa manana anjara andraikitra ao anatin’izany ny mpikarakara ny seho satria misy fepetra samihafa tsy feno matoa miseho ny korontana, kanefa fialamboly no resaka. 

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici