- Publicité -
jeudi, septembre 17, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsTournoi Coupe Commandant CIRGN Mahajanga :  Norombahan’ny Zandarimaria Boeny ny  ankamaroan’ny Ambora

Tournoi Coupe Commandant CIRGN Mahajanga :  Norombahan’ny Zandarimaria Boeny ny  ankamaroan’ny Ambora

Nosokafana tamin’ny fomba Ofisialy ny sabotsy 09 May 2026 teo, tamin’ny 09 ora maraina tao amin’ny  » CAPJ  » eny amin’ny fokontany Morafenokely, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna Ambonivohitra ny lalao ara-panatanjahantena hiadiana ny amboaran’ny kaomandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Mahajanga. Izany dia teo ambany fitarihan’Atoa Jeneraly Brigady Faha Bienvenu: Commandant CIRGN Mahajanga. Marihina, fa ny zoma 08 May 2026 no efa nanomboka ny fifanintsanana, izay nahitana ireto taranja manaraka ireto:  » baolina kitra, basikety, voley, tsipy kanetiby.  » Ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Betsiboka, Boeny, Sofia no nandray anjara mivantana ny fifaninanana ara-panatanjahantena, amin’ny alalan’ny Zandary lehilahy, saingy tsy tonga noho ny halaviran-dàlana sy haratsian-dàlana ny  » Groupement Melaky,  » tao anatin’izao lalao ho mariky ny firaisankina izao. Ny Zandary avy any Boeny no nandrombaka ny amboara maro nandritra ny lalao famaranana, izay nandresiny ny zandary Betsiboka, teo amin’ny taranja voley: 03 sets 1. Resin’izy ireo tamin’ny lalao famaranana basikety ihany koa ny Zandary Betsiboka, tamin’isa: 74 no 82. Ny amboara teo amin’ny tsipy kanetiby lalaovon’olona telo miaraka, dia mbola nody any amin’ny renivohim-paritan’i Mahajanga. Zareo zandary avy any amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Sofia no nahazo ny amboara, teo amin’ny lalao famaranana taranja baolina kitra, izay notontosaina teny amin’ny kianjan’ny Mandanikapa. Resy tany amin’ny fandakana  » tir au but  » nanoloana ny Sofia ny Boeny, tamin’isa 4 no 1, raha nisaraka samy tsy nisy nitoko nandritra 90 minitra nilalaovana ny roa tonta. Ampahafantarina, fa ny harivan’ny Sabotsy teo iny no nizarana ireo amborana, teny amin’ny kianja filalaovana basikety, eny amin’ny CAPJ, izany dia natrehan’ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny eto amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka. Nofaranana tamin’ny fanasana amin’ny alalan’ny tsaingoka sy goka tao amin’ny  » Espace Tiana Royal  » ny lanonana rehetra, nandritra lalao ara-panatanjahantena.

Ratantely

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici