- Publicité -
AccueilFaits-DiversTovolahy maty irery tao an-tranony : Sivy taona aty aoriana vao hita...

Tovolahy maty irery tao an-tranony : Sivy taona aty aoriana vao hita ny razana

Ny faran’ny taona 2010 teo  no voalazan’ireo havany fa nahitan’izy ireo farany ity tovolahy. Hatreo dia tsy nahazoam-baovao intsony izy. Folo taona latsaka aty aoriana vao nipoitra ilay tovolahy, izay tsy taiza fa tao an-tranony ihany ary efa taolana sy karan-doha sisa.

Tao amin’ny tanana kely iray, ao amin’ny kaominina Tatamalaza, distrika Fandriana no nitrangan’ity seho tsy dia fahita firy ity. Araka ny fanazavàna azo avy  tamin’ny zandary tany an-toerana dia ny voalohandohan’ny herinandro teo izy ireo no nahazo antso tamin’ny sefo fokontany tao an-toerana ny amin’ny fahitàna razana tao amina efitrano ambony rihanan’ny trano lehibe iray natokana hipetrahan’ny mpampianatra tao an-toerana. Iray tamin’ireo mponina sendra niakatra tao amin’ilay trano no nahatsikaritra ny zava-nisy. Aman-taonany maro anefa tsy nisy mpahita io razana io. Efa nihintsana efa ela ny nofony ary taolana sy karandoha sisa navelan’ny andro. Tamin’ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana dia fantatra fa tovolahy zanaka mpampianatra tao an-toerana izy io ary manodidina ny 20 taona tany ho any, tamin’ny fotoana nahafatesany. Hatreto dia tsy fantatra izay antonin’izay. Nahitàna antonta taratasy mombamomba azy rahateo moa tao amin’ilay trano tamin’ny fotoana nahitana ny razana.

Somary nahazendana sy nampametram-pananotaniana ny maro ihany ity tranga ity. Voalohany amin’izany ny trano nahitàna ny razana, izay tsy trano haolo teny an-tampon-tanety akory fa ao anaty tanana soa aman-tsara. Voalaza fa tsy nisy nipetraka mihitsy tao amin’ilay trano tao anatin’izay taona maro izay, na izany aza, tsy hisy haheno fofona hafahafa ve ireo mpiray tanana ? Ny faharoa dia ny fitantaran’ireo fianakaviany, izay nilaza fa efa tamin’ny taona 2010, fotoana nialàna teo an-tanana fa hoe hitady asa no tsy nandre vaovao mahakasika azy intsony izy ireo. Tsy niezaka hifandray aminy na hitady izay misy azy akory. Araka ny fanazavàn’ireo zandary any an-toerana dia marobe ireo zavatra mbola manjavozavo amin’ity tranga ity, antony hanokafan’izy ireo ny fanadihadiana manokana mihitsy. Mamofompofona vono olona niniana natao natao sy nafenina mantsy ity zava-niseho ity. Asa anefa, andrasana izay mety ho valin’ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Poule A

1 COMMENTAIRE

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici