- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimanga Atsimondrano : Tovolahy tratra nangalatra varavaram-pasana

Ankadimanga Atsimondrano : Tovolahy tratra nangalatra varavaram-pasana

Tratra am-body fasana amin’ny andro … antoandro ! Saingy tsy « ranenitoa » no resaka eto aloha na « radadatoa » fa i « radadafara » tra-tehaky ny zandary teo am-pangalarana varavaram-by, hidim-pasana teny amin’iny faritra Ankadimanga, distrikan’Antananarivo Atsimondrano iny. Ny faran’ny herinandro teo ity lehilahy ity no nisy nahita nihaodihaody manodidina ny fasana iray teny Ambohidava, fokontany Ambohimidasy. Amin’ny 11 ora antoandro amin’io ny famataran’ora ary rehefa nodinihin’ireo nahatsikaritra ny zava-nisy ny toe-draharaha dia tena hafahafa fihetsika sy mampiahiahy ity lehilahy ity. Amin’izao fotoana izao tokoa mantsy, na ny velona na ny ireo maty dia samy mampitaintaina avokoa noho ny afitsok’ireo mpanao ratsy. Hany ka nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana. Tsy ela dia tonga ireto farany ary, azo lazaina fa raha nisy kely monja dia efa nahavita « mission » ilay karilahy. Teo am-piloloavana varavaram-by mantsy ingahirainy no nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana. Varavaram-by mafonja tsara, izay tsy inona akory fa iray tamin’ireo varavaram-pasana teny an-toerana, fa efa vitan’ingahy ny nanongotra azy manta tsotra izao. Nivaky barara rahateo ingahy tamin’ny famotorana azy rehefa tsy nahita havaly ireto mpitandro filaminana intsony ny amin’ny fiavian’ity « entana » lohalohaviny. Efa nomena ny tompom-pasana moa ilay zavatra nokasainy hangalarina ary ilay lehilahy kosa nentina notanana natao famotorana eny amin’ny biraon’ny zandary, talohan’ny nanolorana azy teny amin’ny Fampanoavana. Ankoatr ny halatra taolam-paty tokoa dia anisan’ny ankafizin’ireo mpanao ratsy ny mangalatra ireny varavaramby amin’ny fasana ireny. Ny antony, hifampitadiavana amin’izao ny vy, ary manam-bidy ny kilaon’ny vy amin’izao eny amin’ireny mpandanja (na ara-dalàna na tsia) ireny. Hany ka mitsiry ho azy ny sain’ireo tsy te hisasatra, hanongotra izay mety azo ongotana, ary hangalatra izay vy azo hangalarina rehetra …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici