- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversTovovavy nisy naka an-keriny : Mety ho nanara-dia ny “sakaizany” hoy ny...

Tovovavy nisy naka an-keriny : Mety ho nanara-dia ny “sakaizany” hoy ny polisy

Tena resa-be teto Toamasina nanomboka ny alahady alina sy teo anivon’ny hopitaly be ilay hoe tovovavy nisy naka an-keriny tany Fianarantsoa, ary nisy nanary teto Toamasina teny akaikin’ny seranan-tsambo ny alahady vao maraina be teo. Efa mandray an-tanana ny raharaha ny polisy misahana ny heloka be vava Toamasina raha vao naharay ny zava-misy. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy, izay nomarihan’ireo taksibrosy nampitohy an’i Fianaratsoa sy Antananarivo ary Antananarivo sy Toamasina, fa taksibrosy no nandehanan’ity tovovavy ity teto Toamasina fa tsy nisy olona naka azy an-keriny tamin’ny fiara tsy mataho-dalana izany. Voasoratra soa aman-tsara ao anatin’ny boky fitehirizana ny anaran’ireo mpandeha tamin’ireo zotra taksibrosy ireo ny anarany raha ny fanadihadiana natao. Raha ho an’ny polisy misahana ny heloka be vava manao ny fanadihadiana, dia tovovavy efa manambady nanaraka ny sakaizany teto Toamasina ity tovovavy nilaza fa nisy naka an-keriny ity, ka raha tsy hitany sy narian’ny sakaizany teto Toamasina dia namoron-dainga amin’izay ho fanamarinan-tenany tamin’ny fofom-badiny sy ny fianakaviany. Mbola mandeha moa ny fanadihadian’ny polisy misahana ny raharaha, ny vadiny rahateo raha ny vaovao dia omaly alatsinainy no tonga eto Toamasina mikasika ity raharaha hafahafa ity. Ny fanadihadiana ara-pahasalamana kosa no nilaza fa tsy nisy fanolanana ity tovovavy milaza ho nisy an-keriny ity.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici