Taorian’ny fisamborana sy ny fakàna am-bavany ireo olona voarohirohy tamin’ilay resaka trafikan-drongony, fanintsindriana amin’ny alalan’ny fampiasàna fahefana sy fikasàna hanao kolikoly amin’ny mpitandro filaminana manao ny asany, izay nahavoarohirohy “assistant parlementaire” dia natolotra ny Fampanoavana omaly tetsy Anosy ny raharaha. Araka ny fampitam-baovao azo anefa dia namoaka “soit-transmis” ireo mpitsara mpanao famotorana ny amin’ny hanohizana ny fanadihadiana eny anivon’ny Fitsaràna mahaleontena misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC etsy 67ha. Ny alatsinainy ho avy izao araka izany ireto farany no hatolotra eny an-toerana. Mandram-piandry an’izay anefa dia nilaza ny teo anivon’ny Fampanoavana fa mbola tazomina atao andrimaso eny anivon’ny zandary, nisahana ny famotorana hatrany izy ireo, ny teo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, etsy Ankadilalana. Tsara marihana fa nisy ny fanamarihana manokana mahakasika ity raharaha ity nomen’ny teo anivon’ny Fampanoavana Anosy, ao anatin’izay “soit- transmis” izay fa raharaha saro-pady mahakasika resaka kolikoly sy fanintsindriana amin’ny alalan’ny fampiasàna fahefana (trafic d’influence) mahakasika olona manana toerana ambony, “assistant parlementaire” izany raharaha izany. Tsiahivina fa niainga tamin’ny fanakanana fiara mpitatitra, tra-tehaka nitondra rongony izany raharaha izany. Fiara izay tsy an’iza fa ana “assistant parlementaire”n’ny olom-boafidy iray tany amin’iny distrikan’i Farafangana iny. Ity farany izay, nanampatra sy nampiasa izay fananany fahefana izay ka nanivaiva sy nanompa mihitsy ireo zandary nanao ny fanadihadiana ary nitaky ny hamoahana avy hatrany ireo namany efatra voasambotra. Ireto farany indray, ankoatry ny nahatratrarana azy ireo ambodiomby, nitondra rongony, dia mbola nikasa ny hanao kolikoly tamin’ireo zandary. Eny amin’ny PAC indray araka izany ny mason’ny rehetra mpanaraka ity raharaha ity. Raha ny marina mantsy, tsy misy olona ambonin’ny lalàna fa tokony hitovy avokoa manoloana ny lalàna velona misy eto amintsika, na iza io na iza, na manam-pahefana na tsia.
m.L




