- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikan-java-mahadomelina : Rongony efa ho 1200 kg saron’ny zandary

Trafikan-java-mahadomelina : Rongony efa ho 1200 kg saron’ny zandary

Ny eo sarona, ny eo miparitaka hatrany ! Tao anatin’ny andro vitsy monja izay dia efa ho rongony manodidina ny iray taonina mahery no saron’ny zandary, tany amin’iny faritra Diana sy Vatovavy Fitovinany iny, ny herinandro lasa teo.

Anisan’ny ambetin-dresaka sy tanjona napetraky ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandamariam-pirenena ny hoe « tagnamaron’ny fandriam-pahelamana ». Izany hoe ny rehetra no miara-misalahy amin’izany ady atao izany. Na ady amin’ny asan-jiolahy io na ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, izay fantatra fa anisan’ny mahatonga izay tsy fandriam-pahalemana izay ihany koa. Amin’izay lafiny izay indrindra dia misy hatrany ny loharanom-baovao azo, ka tamin’ireny no nahafantarana ny fisian’ny tambajotran-jiolahy mikasa ny hanaparitaka rongony an-jatony kilao maromaro. Ny andron’ny alakamisy lasa teo tokoa dia tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileoavana Diana, tao amin’ny kaominina Marotaolana, distrika Ambanja, ny andian’olona nampiahiahy, nahatratra teo amin’ny 19 lahy teo, nilanja gony maromaro. Ny efatra tamin’izy ireo ihany no voasambotra, raha tafaporitsaka ny ambiny. Ireo entana kosa navelan’izy ireo teo. Tamin’ny fisavàna izany no nahitàna fa rongony maina maromaro, vita fatotra sy efa vonona ny haparitaka no tao anatin’ireo gony. Nogiazana avy hatrany izany ary nentina nihazo ny biraon’ny zandary ireo efa-dahy voasambotra. Nahatratra hatrany amin’ny 943 kilao tany ho any ny lanjan’ireo zava-mahadomelina ireto, raha ny fampitam-baovao azo.

Fa ankoatra io, ny alahady lasa teo ihany koa, fanomezam-baovao avy amin’ny olona no nahafahan’ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Vatovavy Fitovinany, indrindra fa ireo zandary tao amin’ny PA Analavory, namantatra ny fisiana andian’olona maromaro ihany koa any Farafangana, hizotra hihazo an’i Mananjary. Tao amin’ny toerana antsoina hoe Tanjondava, kaominina Mitanty, distrika Manakara, no nahatratrarana ireto andian’olona ireto, niaraka tamin’ny entana nentiny, raha niantrano tao amin’ny tokantrano iray. Tafandositra avokoa anefa ry zalahy tamin’izany, namela ny entany. Ny tompon’ny trano no nentina natao fanadihadiana araka izany. Nogiazana kosa ireo gony am-polony maro, feno rongony, izay mitotaly eo amin’ny 205 kilao teo ho eo. Mbola mitohy araka izany fanadihadiana sy ny famotorana mahakasika izao trafikan-drongony izao, hamantarana sy handravana tanteraka izany tambaotra izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici