
Sokatra mbola zanany izay miisa 167 no sarona ary olona telo no nosamborin’ny polisy eo anivon’ny hery vonjy taitra Toliara ny talata teo. Tao amin’ny fokontany Mahavatse nandritry ny hetsika izay notanterahin’ny fitaleavana miandraikitra ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy no nahatratrarana izany, rehefa nahazo loharanom-baovao mahakasika ny fisian’ny trafikan-tsokatra. Fanondranana harem-pirenena no antony nanenjehana ireo olona ary mbola mitohy ny fanadihadiana izay tontosaina eo anivon’ny kaomisaria foibe ao an-toerana, raha araka ny fampitam-baovao. Mampigadra ary sazy henjana izay sady mbola misy sazy iraisam-pirenena koa aza no miandry ny mpanao trafikam-biby arovana, izay ao anatin’ny lisitra ny sokatra. Betsaka izay efa sahirana tamin’io izay ary matetika dia misy olom-panjakana. Tamin’ity indray mitoraka ity aza dia mandeha ny feo fa misy akaikin’ny olom-boafidy ny isan’ny voasambotra. Ny valin’ny fanadihadiana no hanamarina izany na tsia.
D.R




