- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana cocaïne : Terantany afrikana sy malagasy iray voasambotra

Trafikana cocaïne : Terantany afrikana sy malagasy iray voasambotra

Efa miha-mahazo vahana eto amintsika ny fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika toy ny heroïne sy ny cocaïne, izay miha-miparitaka tokoa hatreto. Ary izay indrindra no nahatonga ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina nidina teny amina trano fandihizana iray teny amin’iny faritra Antaninarenina iny, izay efa malaza ratsy loatra amin’ny fahamaroan’ireo mpidoroka. Lehilahy iray no voasambotra ny zoma lasa teo. Mbola nahitàna cocaïne iray grama rahateo teny aminy tamin’io fotoana io. Tamin’ny fanadihadiana azy dia nilaza mazava ity lehilahy ity fa ao amin’io trano fandihizana io no tena misy ireo mpanjifany, izay sahy mividy ny grama amin’ity zava-mahadomelina ity hatrany amin’ny telo hetsy ariary any ho any. Nambarany ihany koa fa tany amina terantany afrikana iray no nahazoany ilay zava-mahadomelina izay novidiany roa hetsy ariary. Nandeha ny fikarohana ilay terantany afrikana ka teny amin’iny faritra 67ha iny no tra-tehaka. Cocaïne milanja eo amin’ny 18 grama, izay miteti-bidy any amin’ny efatra tapitrisa ariary latsaka any ho any ho tratra teny aminy. Efa ela izy farany no nanao ity fivarotana rongony mahery vaika ity, satria dia efa ho roa taona mahery izao. Mbola terantany afrikana iray ihany koa no tena mpamatsy azy, ary vidiany amin’ny vidiny roa hetsy sy iray tapitrisa ariary io cocaïne 18gr io. Araka izany mbola mitohy ny fikarohana ny naman’ireto mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika ireto ataon’ny pôlisy. Ny sabotsy lasa teo kosa no natolotra teny anivon’ny Fampanavoana ireto roalahy voasambotra ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici