- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversTrafikana rongony : 190 kilao no sarona, 12 lahy sy vehivavy iray...

Trafikana rongony : 190 kilao no sarona, 12 lahy sy vehivavy iray nadoboka am-ponja

Tsapa ho nirongatra mihitsy tato ho ato izay, indrindra fa tao anatin’ity fihibohana ity ny trafikan-drongony, na ny amin’ny faritra na ny eto an-drenivohitra. Tsy mikely soroka amin’ny ady amin’izany fiparitahan’ny zava-mahadomelina izany ireo mpitandro filaminana. Fantatra ary, raha ny teto an-drenivohitra manokana, tao anatin’ny telo volana monja : ny volana martsa, aprily ary may teo, fa rongony manodidina ny 190 kilao eo ho eo no saron’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Olona 13 no efa nohadihadiana ary nampidirina am-ponja vonjimaika. Araka ny tatitra azo avy amin’ny pôlisim-pirenena hatrany moa dia ny iray tamin’ireto olona voasambotra ireto no vehivavy.

« Niisa valo ireo tranga nahazoana ireo vokatra ireo », hoy hatrany ny tatitra. Ny voalohany tamin’izany dia fahatratrarana mpivarotra rongony, ny faha-20 ny volana martsa teny Manorikandro Bypass, izay nahazoana rongony 19.700 kilao. Olona iray no voasambotra.  Ny vola aprily lasa teo dia tranga iray no hita, tamin’ny fisamborana olona iray teny Namontana. Rongony milanja eo amin’ny 99.400 kilao teo moa no sarona. Ny volana may nivalona iny no azo lazaina fa isan’ny nahitam-bokatra be indrindra, ary nisamborana mpidoroka sy mpivarotra ary rongony efa vita fono : teny Ankadindratombo, teny amin’ny Macoline Ambohimahitsy, Anosibe Angarangarana, Anosibe Ambohibarikely, teny amin’ny Petite Vitesse Isotry.

Fa ankoatra izay, manampy ity antontan’isa amin’ny resaka zava-mahadomelina mahery vaika ity, dia fantatra fa olona telo no nosamborin’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina hatrany teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny ny talata lasa teo. « Trano iray izay notondroin’olona no notsirihina ka rehefa nahitana fihetsika hafahafa dia nidiran’ny Polisy avy hatrany », hoy ny fampitam-baovao. Rongony fito fonosana moa no tratra teny amin’izy ireo tamin’izany. Marihana fa ny iray tamin’izy ireo no mpivarotra fa ny roa kosa mpidoroka. Nambaran’ity mpivarotra ity, tamin’ny fanadihadiana azy fa olona mandalo no fangalàny entana ary amidiny avo roa heny izany. Omaly moa izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ary heverina fa nandeha nanampy ireo olona 13 efa naiditra am-ponja vonjimaika etsy Antanimora.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici