- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana sokatra : Olona enina naiditra am-ponja vonjimaika

Trafikana sokatra : Olona enina naiditra am-ponja vonjimaika

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny « Projet Alarm », olona enina no fantatra fa nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora mikasika ny halatra sy trafikana sokatra. Ny loharanom-baovao voaray no ilazana fa tratra ambodiomby tamin’izao raharaha izao izy ireo, dia ireo mpanao trafika miisa dimy sy ny mpiambina ny trano nametrahana an’ireo biby ireo. Olona fito no voarohirohy tamin’ity trafika ity. Rehefa nandalo teny amin’ny fitsarana anefa, nahazo fahafahana vonjimaika ny iray izay voalaza fa tompon’ny fiara nitondrana ireo sokatra. Teny Antaninarenina ireo olona ireo no nosamborina tamin’ny herinandro lasa teo. Ny zandary avy ao amin’ny borigady « Tana ville »  no nahatratra valizy miisa telo nanafenana ireo sokatra « radiata » miisa hatrany amin’ny 198. Fikambanana maromaro miaro ny tontolo iainana no indray nisalahy nahazoana nisambotra ireo olona ireo.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici