- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversTribonaly Anosy : Ankizivavy 15 taona nihetsika aretina teo am-pitsarana azy

Tribonaly Anosy : Ankizivavy 15 taona nihetsika aretina teo am-pitsarana azy

Tsy mbola fahita ity nitranga tao amin’ny Fitsarana Anosy omaly  ity. Ankizivavy 15 taona no nihetsika aretina ka nitabataba sy niteny ratsy mihitsy aza raha iny izy nanontanian’ny Mpitsara iny noho ny raharaha izay mahakasika azy notsaraina. Avy any Analavory rakalakely raha araka ny fanazavana. Niakatra fitsarana omaly ny raharaha izay nitorian’ny ray aman-dreniny tovolahy iray 22 taona nampangain’ireto farany fa nanolana sy nanisy ambalavelona ity zanany vavy. Fiampangana izay nolavin’ity farany hatrany teo anatrehan’y Fitsarana. Ny nahagaga ny mpanatrika rehetra teo anefa, eny fa na ny teo anivon’ny Fitsarana aza dia ny nahita ity tovovavy ity nirediredy sy nivazavaza ary nihinjitrinjitra mihitsy rehefa namaly ireo fanontanina napetraka taminy. Tsy vitan’ny hoe nihanjaka toy ireny olona voan’ny tromba ireny, ho an’izay efa nahita izany, fa mbola niantsoantso ihany koa ny anaran’ilay tovolahy nampangaina ho nanao ratsy azy, sy niteny ratsy mihitsy nandritra izany. Nifamonjena mihitsy ity zazavavy ity tamin’izany ary saika tsy voafehy. Niditra an-tsehatra hatramin’ny Pasitera satria noheverina fa ho asan-devoly no nahazo azy saingy indrisy fa nahazo teny maloto ity olon’Andriamanitra ity. Noho izany, voatery niato mihitsy ny Fitsarana. Nitohy ihany anefa izany rehefa tony ilay vehivavy ka niafara tamin’ny fahazoan’ilay tovolahy fahafahana vonjimaika mandra-piandry ny didim-pitsarana amin’ny 29 mai izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici