- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversTritriva : Nogiazana ny « tyrolienne » natao fitadiavam-bola

Tritriva : Nogiazana ny « tyrolienne » natao fitadiavam-bola

Tonga tao an-toerana ny solontenam-panjakana nijery ifotony ny zava-nisy. Avy hatrany dia noraisina ny fanapahan-kevitra ny amin’ny fanagiazana ireo fitaovana teo. Nesorina ny « tyrolienne » ary koa ny vedety izay nisy nampiasa natao fitadiavam-bola tao amin’ny farihin’i Tritriva. Ny anton’izany dia satria vakoka ary fananam-panjakana ny toerana izay voakasiky ny raharaha. Ny mponina teo amin’ny manodidina rahateo dia efa ela no nangataka ny hanesorana ireo fitaovana ireo satria amin’izy ireo dia toerana manan-tantara ary manan-jina i Tritriva. Nilaza ny ben’ny tanànan’i Tritriva, Rakotonindrina Nicolas, fa efa nandray andraikitra izy manoloana ny fitarainan’ny mponina. « Intelo aho no nandefa taratasy tany amin’ny tompon’ireo fitaovana ireo. Tsy nohenoina mihitsy ary tsy nisy nandraharaha. Voatery nandefa taratasy nitatitra ny zava-misy tany amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra aho ary isan’izany ny minisitera izay misahana ny kolon-tsaina » raha araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna. Tody tokoa ny hafatra ary natao ny fidinana teny an-toerana. Tsy niandry ela taorian’izay dia efa vita ny fanagiazana ary izany dia mandram-piandry izay mety ho baiko vaovao. Raha zohina izany ny raharaha dia manao fitadiavam-bola tsy ara-dalàna ny tompon’ireo fitaovana fialam-boly izay nampiasaina teo an-toerana. Fialam-boly no fijery azy saingy kosa fanao miaramila izay mety hisy voka-dratsiny ho an’ny olon-tsotra ny « tyrolienne ». Iaraha-mahalala rahateo fa rano mangatsiaka be no sady tena lalina i Tritriva noho izy volkanika. Izany rehetra izany dia mety azo hilazàna fa mila fepetra marobe izay feno izay vao tokony azo hampiasaina amin’ny fialam-boly izy. Etsy andanin’izay, ny mponina dia efa milaza fa tsy mendrika ny hatao izany i Tritriva satria toerana manan-jina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici