- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversTsaboina etsy Befelatanana : Zazavavy sady naolana no nodarohina

Tsaboina etsy Befelatanana : Zazavavy sady naolana no nodarohina

Mbola mitohy ny fitsaboana ilay zaza. (Sary tahiry)

Potika tanteraka ilay zazavavy, mazava ho azy fa tsy ampy taona. Tsaboina ao amin’ny hopitaly Befelatanana izy efa ho andro maromaro izay. Ny alahady lasa teo no nitrangan’ity herisetra ara-nofo niampy herisetra hafa, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambatomena, eo anivon’ny distrika Manjakandriana. Tataka ny vavany ary voatery nozairina. Ny ankoatr’izay dia efa azo an-tsaina ny fahavoazana. Manaporofo an’izany ny tsy maintsy nitondràna azy niakatra aty an-drenivohitra ary nampidirina tamin’ny hopitaly lehibe. Lehilahy iray izay manodidina ny 30 taona no notondroin’ny fianakaviana ho tompon’antoka. Itsy voalohany anefa dia mandà hatramin’ny farany ny fiampangàna azy ary nilaza fa niaro azy aza no nataony nandritra ilay herisetra nitranga. Izany rehetra izany no mampanahy mafy ny fianakaviana sao ho votsotra fotsiny eo ilay lehilahy. Nametraka fitoriana etsy amin’ny fampanoavana Anosy izy ireo ary mangataka ny mba hanarahan’ny fitsaràna akaiky ity raharaha ity. Tsy nisalasala mihitsy aza izy ireo nilaza ny fanahiany sao ho resin’ny kolikoly indray ny marina. Etsy andanin’izany, mbola mitohy ny fitsaboana ilay zaza ao amin’ny hopitaly Befelatanana saingy miantso tolo-tànana amin’izay mety ho terem-panahy ireo fianakaviana, izay sahirana amin’ny fanarahana ny fitsaboana. Anisan’ny tranga miseho eo anivon’ny fiaraha-monina ary miverina matetika ny herisetra ara-nofo. Angamba tsy dia fantatr’ireo olon-dratsy loatra fa sazy henjana no miandry azy ireo, indrindra raha zaza latsaky ny 15 taona no voaloana. Raha araka ny lalàna famaizana dia sazy an-terivozona no mianjady amin’ny tompon’antoka ary sokajiana ho heloka bevava izany. Toraka izany koa raha fanolanana faobe na mpitarika fiangonana no tompon’antoka, na koa ray aman-drenin’ny zaza na koa mpiasa an-trano. Ho an’ny fanolanana ny olona 15 taona no mihoatra indray dia sazy an-tranomaizina folo ka hatramin’ny 15 taona no miandry azy ireo. Hatreto ve tsy fantatry ny olona sasany loatra fa mety ho tapitra any an-tranomaizina ny fotoanana iainan’izy ireo noho ny sazy izay mavesatra ?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici