« Hampiharina ny lalàna velona ». Fanelezana vaovao tsy marina amin’ny tambazotra sosialy, fampiasana sary tsy nahazoana alàlana … Vesatra maromaro no fantatra fa hanenjehana ny tompon’andraikitry ny « compte » iray ao anaty Facebook ao. Vaovao, rehefa nofotorina sy hita fa tsaho entina hanimbana ny hasin’ny zandarimariam-pirenena.
Araka ny fanazavana azo, dia nisy fanehoana (publication) tao anaty tambazotra sosialy Facebook, ny 21 jolay lasa teo. Filazam-baovao izay milaza, fa « tratra nangalatra lavalina ny Kaomandin’ny Tobim-paritra Doany distrikan’ Andapa ». Tsy vitan’izay anefa fa mbola notohizana sy nolazaina ho mpiray petsapetsa taminy ireo zandary hafa, satria hoe « ny mahagaga ny maro anefa, dia ny antony nampandosirin’ireo mpiara-miasa aminy, ity « commandant » ity izy. Voalaza ihany koa, fa « araka ny fanampim-bavao azo dia efa maro ny la vanille halatra tratra amin’ity commandant raindahiny aminy halatra la vanille ity ». Ambonin’izay moa, dia nampiarahana tamin’ny sary fanehoana izany, izay mari-pamantarana ny zandarimariam-pirenena.
Satria ambara ombieny ombieny fa tsy miaro jiolahy ny eo anivon’ny zandary ary « manao ny ezaka rehetra amin’ny fanadiovana anatiny » dia nisy avy hatrany ny fanadihadiana natao sy ny filatsahana ifotony, tany an-toerana, taorian’ny fiparitahan’ilay vaovao, izay notarihin’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Andapa. Taorian’io dia fantatra sy hita, hoy ny fampitam-baovao azo « fa diso tanteraka ny vaovao » nomen’io « compte facebook » io. Nanambara sy nanamafy ireo olomboafidy sy ny solotenam-panjakana ary ny solotenam-pokonolona ny tsy fahamarinan’io vaovao io. Nijoro ho vavolombelona mihintsy sy nanazava araka ny horonan-tsary eto ambany Andriamatoa Ben’ny tanànan’i Doany Andapa ». Manoloana izany toe-javatra izany, dia « manameloka tanteraka ny fihetsika nataon’ny mpikirakira io pejy io izahay, satria manimbazimba ny hasin’ny Zandarimaria, manely vaovao tsy marina sy manimba ny saim-bahoaka ; izay nametraka fitokisana aminay ary nampiasa ny sary tsy nahazoana alàlana ».
m.L