Vaky ny lohany, ary efa saika ny ainy no nanaraka raha tsy tonga teny ny mpitandro filaminana. Lehilahy iray no niharan’ny hatezeram-bahoaka ny talata hariva teo tetsy Tsarahonenana. Araka ny vaovao dia nidaroka ankizy kely iray teny an-toerana ity ranamana ity , antony nampitraotra ny olona. Tsy mbola fantatra hatreto izay anton’ny famonoana ilay ankizy, na ny antony nampitraotra ny fokonolona. Nambaran’ireo mponina fa toa hoe efa mpila vaniny eny an-toerana io rangahy io, ary tsinontsinony ilay ankizy kely novonoiny, zanak’olona eny an-toerana ihany. Nanambatra ny hatezerany teto ireo mponina ka samy nanala ny fony tamin’ity rangahy ity avokoa. Tsy namelan’ny olona raha tsy naratra mafy, ary narovan’ny mpitandro filaminana. Fantatra fa nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ity lehilahy ity, niaraka tamin’ilay zaza nodarohany, raha ny filazan’ireo mponina hatrany.
Nangonin’ i m.L