Vokatry ny fitarainan’ny fiarahamonina noho ny fisian’ny andian-dehilahy izay mpiloka amin’ny alina ary mitabataba sy manohitohina ny torimason’ny olona no antony nisamborana azy ireo. Leon’ny tenin-dratsy ny sofin’ireo olona ary nampandre ny polisy nony niafarany. Nidina an-tsehatra ireo ary mbola novalian’ireo lehilahy koa. Voatery niditra tamin’ny fisamborana ary nampidirina « violon » ary koa nanokafana fanadihadiana ireo olona enina. Tsy fahaizana lalàna ve sa bodongerina no anton’ny filokàna an-dalambe. Matetika koa dia eo amin’ireny kianja ireny no misy ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny rôrô. Ny tena olana aterany dia misy amin’ireo very vola tamin’ny loka no lasa manendaka avy eo dia miverina eo indray. Ny tsikaritra amin’izy ireny koa dia tsy vola kely no « miady » amin’ny loka an-dalambe, tsy araka ny eritreretin’ny maro. Matetika aza dia mitovy amin’ny lanin’ny olona (na koa ny azon’ny olona) any amin’ny casino ny hadirin’ny vola mihodina amin’izy ireny. Misy indray ny olona no mahafantatra ny fisian’ny lalàna ary lasa manofa trano tsy ampahafantarana olona ankoatra izy ireo mpiloka ihany. Izay ilay antsoina hoe tranon-doka. Miseho amin’ny karazany maro arak’izany ity sehatra iray ity ary tsy manara-dalàna ny ankamaroany.
D.R




