- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Rahonan'ny mpangarom-paosy ny mpivarotra

Tsaralalàna : Rahonan’ny mpangarom-paosy ny mpivarotra

Sambany vao mba nisy mpivarotra an-tsisin-dàlana sahy namoaka ny momba ireo mpangarom-paosy eo Tsaralalàna. Nalaina sary ary naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ireo telo lahy izay manao aron-tava ary manao kasikety. Manao telozoro hatrany ny misy ireo ary raha tafiditra ao anatin’izany toerana izany ny lasibatra dia mora amin’ireo ny manatontosa ny asa. Izany rehetra izany dia eo ambany mason’ireo mpivarotra amoron-dàlana hatrany no miseho. Nisy izay mba sahy nizara ny zava-misy mba hampitandremana ny olona izay mivezivezy eny Tsaralalàna izay toerana feno mpivarotra ka matetika hifamezivezen’ny vola. Nanaitra ny maro ny sary izay amin’ny lafiny iray koa dia entina hanairana ny mpitandro ny filaminana. Ny zava-misy anefa, raha araka ny filazan’ny mpivarotra, dia mbola miriaria any daholo ireo mpangarom-paosy. Tsy vitan’izany aza fa fantatr’izy ireo ny fivoahan’ny sariny tamin’ny aterineto. Tezitra mafy ireo ary nandrahona ny mpivarotra. Antony toa izany indrindra no mahatonga ny olona izay mahafantatra ny olon-dratsy misafidy ny hangina. Matahotra ny ainy ny olona satria raha tsy hosamborina ny olon-dratsy dia mety hifototra any amin’ny mpanoro ny valifaty…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici