Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Tsaramasay Ankorondrano omaly maraina. Zazalahy kely vao roa taona monja no namoy ny ainy, rehefa voahitsaky ny fiara tamin’iny lalan-kely mampitohy an’i Tsaramasay mihazo ny Village de jeux Ankorondrano iny.
Araka ny angom-baovao azo teny an-toerana dia tokony ho tamin’ny sivy ora maraina latsaka tany ho any no niseho ny loza. Handeha hihazo an’Ankorondrano ity fiara tsy mataho-dalana marika Toyota Land Cruiser no niampita tampoka ilay zaza. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia niaraka tamin’ny reniny ilay ankizy ary notantan’ity farany. Sendra nahita ny rainy teny am-pitan’ny lalana anefa izy ka namotsotra tampoka ny tanan’ilay nitantana azy ary nihakazakaza namonjy ny rainy. Tamin’io fotoana io nipoitra tampoka ilay fiara ary nahavoadona azy. Nipitika vokatry ny dona ary niafara tao ambanin’ny kodiarana aorian’ilay fiara tsy mataho-dalana. Ny lohany no voarain’ny kodiarana ary voahitsaka. Nipotsaka mihitsy moa ny ati-dohany, raha ny nambaran’ireo nanatri-maso ny zava-nisy. Maty tsy tra-drano.
Tonga haingana teny an-toerana ny pôlisy rehefa nampandrenesina ny zava-nisy ary niroso tamin’ny fanadihadiana sy niezaka nandamina ireo mponina efa vory lanona. Efa tonga teny an-toerana ihany koa ny BMH naka ny razana ary nitondra azy ho any amin’ny tranom-patin’ny HJRA. Tetsy andanin’izay kosa, notanana natao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny pôlisy ny mpamilin’ilay fiara tsy mataho-dalana ho amin’ny famotorana azy.
Taorian’ny loza moa dia nisy ny fanentanana nataon’ireo tompon’andraikitra ny amin’ny tokony hitandreman’ny tsirairay, na ny mpandeha tongotra io na ny mpitondra fiara sy ireo mpanosika sarety. Somary tery dia tery tokoa mantsy iny lalana mampitohy an’i Tsaramasay sy Ankorondrano iny kanefa be olona mifamezivezy. Lalan-kely manamorona ny lakan-drano C3 (Andriantany) izy io saingy antonona fiara ka maro amin’ireo fiara sy moto avy any Ankazomanga no manao hitsin-dalana eo rehefa teo ho eny Ankorondrano na ny mifanohitra amin’izay, avy aty Ankorondrano ho any Ankazomanga. Tamin’ity indray mitoraka ity vao nisy loza mahatsiravina namoizana aina tahak’ity tamin’izany lalana izany. Efa nisy ihany tany aloha tany, fiara sy moto nivarina tao anaty tatatra fa tsy nisy ny aina nafoy.
m.L


