
Taorian’ny hain-trano nahatsiravina niseho tao amin’ny fokontany Tsaramasoandro, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambalajanakomby, distrikan’i Maevatanàna ny roa herinandro lasa izay, dia nidina ifotony tany an-toerana ireo olom-belona mandrafitra ny biraon’ny KFIM Betsiboka ny Zoma faha 24 Oktobra taona 2026 teo iny.Tsy nitazam-potsiny, fa nanome izay tsirambin’ny tanana sy nanao vonjy rano vaky, nanolotra vary 10 kitapo ho fanampiana sy fanohanana ireo niharam-boina ny ekipa avy ao amin’ny Komity Fanorenana Ifotony an’i Madagasikara. Izany dia fanomezana avy amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny DAS na: ( Direction des Affaires sociales ).
Ratantely




