Tena faritra anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana ny any amin’ny Kaominina Tsararano sy ny Mangabe. Saika andrenesana vonoan’olona sy asan-jiolahy hatrany ny any amin’ireo kaominina roa ireo. Jamà iray indray mantsy no maty voatifitry ny jiolahy. Tao amin’ny fokontany Bevilany, Kaoimina Tsararano, disitrikan’i Maevatanàna, ny Alarobia 13 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany maraina, no nisehoan’izany. Araka ny fanazavana voaray avy amin’Atoa Jocylin, izay monina ao Amboabary, dia dahalo dimy lahy nitondra basim-borona sy zava-maranitra no nangalatra omby 100 ana mpandraraha iray monina any amin’ny Kaominina Mangabe iny. Nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny vatan-dehilahy teo an-tanàna. Tamina tanàna kely iray tsy lavitra ity toerana nisehoan’ny fandrobana no nifankahatratra ny roa tonta. Teo no nisian’ny fifandonana ary naharitra 15 minitra teo izany. Tsy naharesy tosika ny dahalo ireo vatan-dehilahy, ka vaky nandositra sady nampandre an-telefaonina ny jamà iray tany Bevilany, satria mizotra ho any ny lalan’ireo malaso ireo. Nisy malaky ny sakana nataon’ilay Jamà sy ireo fokonolona teo amin’ny manodidina. Vao nahatazana azy ireo ny dahalo dia nitsoaka, ka raikitra ny fifanejehana sy ny fifampitifirana, ary naharitra adiny iray izany. Vaky lefa kosa ireo fokonolona nanoloana izany, ka teo no nanararaotan’ireo malaso an’ilay Jamà, lavo ihany izy nandritra ny fifanjevona. Nidina ifotony nanao ny fizahana sy fanadihadiana ary fikarohana ireo jiolahy ny Zandary ao amin’ny « Poste Fixe Bevilany.»
Ratantely