- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsarasaotra Ivato : Nahafaty olona indray

Tsarasaotra Ivato : Nahafaty olona indray

Mbola nisy indray ny aina nafoy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalana Tsarasaotra Ivato. Fiara marika Renault Duster miloko manga, nentin’ny teratany vahiny iray, no voalaza fa nandona môtô kodiaran-droa teo am-pandehanana. Araka ny fanazavana voaray teny an-toerana dia nifatratra tany amin’ny sarety nitatitra rano ihany koa ilay fiara taorian’ny fifandonana. Vokatr’izany dia namoy ny ainy teo noho eo ny mpitaingina moto. Nosaroman’ny olona lamba ny razana teo am-piandrasana ny fahatongavan’ireo tompon’andraikitra. Tsy ity tranga ity ihany anefa no mampiahiahy ny mponina sy ny mpampiasa lalana. Vao ny sabotsy lasa teo ihany dia efa nisy lozam-pifamoivoizana nahafaty olona teny amin’io toerana io, ka fiara iray nentin’ny mpanamory fiaramanidina no nandona olona. Araka ny antontanisa voarakitra momba ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalana Tsarasaotra, dia nahatratra 42 ny loza nitranga nandritra ny taona 2025. Tao anatin’izany: 34 no loza naharatra olona, 8 no loza nahafaty olona. Voamarika ihany koa fa nisy 10 ny loza vokatry ny fitondrana fiara tao anatin’ny fahamamoana, 1 noho ny fitondrana fiara tsy manana fahazoan-dalana, ary 1 tranga nandosiran’ny mpamily taorian’ny loza. Ho an’ity taona 2026 ity kosa, araka ny antontanisa voaangona nanomboka ny 01 Janoary ka hatramin’ny 05 Martsa, dia efa 6 sahady ny lozam-pifamoivoizana voarakitra. Amin’ireo dia: 4 no loza nahafaty olona, 2 no loza naharatra olona. Midika izany fa efa mihoatra ny antsasaky ny loza nitranga tamin’ity fiandohan’ny taona ity no niafara tamin’ny fahafatesan’olona. Raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo tranga voarakitra dia matetika ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ity lalambe ity no vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily, ny tsy fanarahana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny fitondrana fiara ao anatin’ny fahamamoana, ary indraindray koa ny tsy fitandreman’ny mpandeha an-tongotra. Manoloana ny fiverimberenan’ny loza mahafaty olona eny Tsarasaotra Ivato dia mitombo ny antso ataon’ny mponina sy ny mpampiasa lalana mba hanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fanentanana amin’ny fanajana ny fitsipiky ny fifamoivoizana, mba hisorohana loza hafa mbola mety hitranga.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici